Ka tia tsiri-pasana
Koa tsy mba hitsodrano am-bolana aho
Fa ny alaheloko no ho tsofiko rà
Piti-drà kely iray hitahiry ny hamamin'ny lasantsika
Piti-drà kely iray ho sombin'ilay ranom-pitia efa nitsika
Piti-drà kely iray hahatsiaro ilay veloma mangidy
Piti-drà kely iray ho an'ireo fo mbola mitempo rehefa ny mpiaino efa dify...
Kanefa ry tiana, Ny hehiko toa mihamiakatra...
Satria toa ritra rà izany vatako very hafanana.




